Fandraisana
Fitadiavana
Boky rehetra
Hamaky
Fanazavana
Hisoratra anarana
Hiditra
Boky Voalohan'ny Makabeo
1.
Aleksandra ilay malaza - Ny nidiran'ny fanaon'ny Greka tany Palestina - Antiokosa Epifana, fandrobana ny Tempoly, fanenjehana ny Jody tsy nivadika.
2.
Nanomboka ny ady masina Matatiasa mpisorona.
3.
Nandresy hatrany Jodasa, ka azony indray Jerosalema; dia novelominy tao indray ny fanompoana an'Andriamanitra marina.
4.
Ny nandresen'i Jodasa Makabeo an'i Gorjiasa sy Lisiasa - Ny nanadiovana ny Tempoly sy nitokanana azy indray.
5.
Ny nandresen'i Jodasa an'Idomea, Beana, sy Amona - Ny fanafihana any amin'i Galilea sy Galaada - Faharesen'i Josefa sy Azariasa.
6.
Fahafatesan'i Antiokosa Epifana - Ady tamin'i Antiokosa Eopatora - Nafahirano Jerosalema.
7.
Nirahin'i Demetriosa I hamely ny Jody, Bakidesa sy Alsima - Ny faharesen'i Nikanora.
8.
Naniraka ambasadaoro tany Roma Jodasa.
9.
Fahafatesan'i Jodasa Makabeo - Jonatasa mandimby azy - Ady maro tamin' i Bakidesa.
10.
Notaomin'i Demetriosa I sy Aleksandra Epifana, Jonatasa ka nikambana tamin'i Aleksandra, izay nanome azy fiandrianan'ny mpisorona lehibe sy nanasa azy tamin'ny fampakaram-badin'ny zanany tamin'ny zakavavin'i Ptolemea - Ny nandresen'i Jonatasa an'i Apolloniosa jeneralin'i Demetriosa II.
11.
Nony maty Aleksandra sy Ptolemea, nanao fanekem-pihavanana tamin'i Demetriosa Jonatasa sady nanampy azy hanafoana fikomiana anankiray - Tsy fankasitrahana anefa no azony, ka nandray ny fanekem-pihavanana tamin'i Antiokosa VI sy Trifona izy.
12.
Nohavaozin'i Jonatasa ny fanekena tamin'i Roma sy Sparta - Resiny mafy Demetriosa - Lavo tamin'ny fandrika nafitsok'i Trifona izy.
13.
Nandimby ny rahalahiny, izay tsy azony novonjena Simona, ka nanosika an'i Trofona, nanao ny fasam-pianakaviana, ary nanamafy an'i Jodea - Nankasitrahan'i Demetrosa izy, ka nitana an'i Gazara sy Akra ao Jerosalema.
14.
Fiadanana any amin'Isrealy - Nony voasambotry ny Parta Demetriosa, Simona kosa nitondra amim-pahendrena sy nandray taratasy avy any Sparta sy avy any Roma - Nankasitrahan'ny vahoaka izy, ka naraikiny ho mpanapaka sy mpisorona lehibe mandrakariva.
15.
Nankatoavin'i Antiokosa ny fahefan'i Simona, nefa nirahiny hamely azy Sendebe, na dia teo aza ny taratasin'ny Romana.
16.
Ny nandresen'ny zanak'i Simona an'i Sendebe - Ny namonoana an'i Simona.
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0837